4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mandrora mitsilany - Roger raoël

Tsisy hadisoako anefa, fa ny fahantrako angaha

No nandosiranao ravorona, sy nandaozanao ny saha

Efa tsy anjarantsika mantsy, ny hiray tokantrano

’Ndao isika hifanadino, sy hifampitso-drano



Nosarahinao tamin-kery akia, ny ravina sy taho

Izany angaha no lahatra , adinoy tanteraka aho

Navelanao irery aho, dia nilaozanao fa voa

Fantatrao fa mety izany ka atao ahoana moa



izao ihany no mba teniko, ireny lasa tsy miverina

Indro ianao ankehitriny fa kinaikitry ny nenina

Ka hangaihay foana, sy ho menatra satria

Tsy namakafaka akory, vao nanosy ilay fitia



Matahora koa tody, ry mandrora mitsilany

Aoka ho tadidinao, boribory anie ny tany

Satria ny nafafy ihany anie, no tsy maintsy hojinjaina

Ka tsy azonao lavina na mazoto na malaina

Partager mandrora mitsilany

Commenter mandrora mitsilany

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Roger raoël